Business, Bizna

Poule pondeuse     Akoho

akoho0Tafiakatra 600 hatramin’ny 700 ariary ankehitriny ny atody akoho gasy eny an-tsena. Vitsy ary sarotra tadiavina no antony mahatonga izany. Mahalafo hatramin’ny 1 alina atody  isan’andro kosa ny mpivarotra ambongadiny iray eny amin’ny tsenan’ny atody Antohomadinika, vokatra avy amin’ireo akoho mpanatody lava.

Vitsy ny atody akoho gasy eny an-tsena kanefa ilain’ny mponina amin’ny fikarakarana sakafo, atao fanafody fanohanana aina, sy ny maro hafa. Ny fitobahan’ireo mpisehatra akoho manatody lava no anton’izany ary eo ihany koa ny fahavitsian’ny akoho gasy.

Sehatra iray mahasarika ny maro ankehitriny ny fikarakarana akoho manatody lava.  Asa tena,  azo atao antom-pivelomana kanefa mila fahaiza-manao sy traik’efa. Mila fitandremana bebe kokoa anefa ny fikarakarana akoho manatody lava mba hahazoana ny vokatra tadiavina.

Sehatra iray azon’ny rehetra trandrahana ny fiompiana akoho manatody lava. Raha manana 2 tapitrisa ariary ny olona iray ka miompy akoho mpanatody lava 200 isa. Mety hahazo tombony 1 tapitrisa ariary izy ao anatin’ny 1 taona. Ny akoho iray mandritra ny 75 hrinandro anatodizany dia mahatafavoaka atody 300 hatramin’ny 350 isa. Ny atody iray izay amidy 300 ariary antsinjarany ankehitriny ary 250 ariary ambongadiny. Manoloana izany dia nisy fampiofanana notanterahina teto amin’ny Oratorio Ivato, nanomboka ny talata teo izy nifarana androany. Mpisehatra momba ny akoho manatody lava  56 avy eto andrenivohitra sy avy any amin’ny faritra no nanatrika izany, ary nisy ny fizarana mari-pahaizana manotolotra ireo mpandray anjara.

Afaka  mamorona asa ho an’ny tenany avy hatrany ireto olona ireto. Asa mila fahaizana sy traik’efa ny fiompiana akoho manatody lava, kanefa asa mahavelona ary ahazoana tombony. Tsy hijanona eto ny fiofanana raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra hantrany fa ezahina hiparitaka manerana ny nosy.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s